Vahaolana natolotry ny antoko MFM ny fanomezana lanja ny faritra ho masi-mandidy. « Tsy maintsy fidiana ny filohan’ny faritra ary haverina ho
28 ny faritra, araka ny tolokevitry ny « Mafana », fony fahavelon’ny mpanorina, Rakotonirina Manandafy », hoy ny mpikambana eo anivon’ny MFLM, Randrianindrina Ignace na « Ramasy ».
Natolotry ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, omaly tetsy Antaninarenina ny fehinkevitra avy amin’izy ireo. Efa natolotra ny Primatiora izany ary homena dika mitovy koa ny FFKM, mba hahafahany mandray sy mampiditra ireo antontan-kevitra sy soso-kevitra ao anatin’izany.
Ny fanomanana ireo fihaonambe iraisam-pirenena ho avy toy ny an’ny Sadc sy ny fikambanambe iraisam-pirenena (ONU). Anisan’ny asa miandry ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ireo, araka ny nambaran’ny minisitra, N’Diaye Alice, omaly tamin’ny fananganan-tsaina tetsy Anosy. Teo koa ny tatitry ny diany tany ivelany.
Hotanterahina eto amintsika ny fivoriamben’ ny Sadc, andiany faha-59. Hatao ny 22 hatramin’ny faha-29 aogositra izao izany. Nanentana ny mpiasan’ ny Antenimiera rehetra ny filohany, Randrianasoloniaiko Siteny mba hiezaka ho fahombiazana, indrindra mba hanehoana fa mahay mandray vahiny. « Omen-danja ny fahadiovana sy filaminana », hoy izy.




