“Hampiadiana ny isa: mitovy ve ny isa aty amin’ny fonja sy ny any amin’ny fitsarana? Izay no hiaingana hahazoana manatanteraka ny politika momba ny fitanana am-ponja, fa tsy manao asa anjambany fotsiny fa miainga amina isa marina”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, tamin’ny fitsidihana indray ny fonjan’Antanimora, afakomaly.
Misy ny politika momba ny fitanana am-ponja. Mba hoe ny voafonja efa voatsara no betsaka, fa hihena ny isan’ny voafonja tanana vonjimaika. Izay no lalàna amin’ny ankapobeny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ho fanatanterahana an’izay politika momba ny fitanana am-ponja izay, tsy maintsy miainga amin’ny fahefana ny fitsarana an’ireo voafonja. Atao ny fampitahana amin’ny vatan-tenan’ny voafonja. Raha fampitahana an-tsoratra fotsiny io, lasa misy tsy miady ny isa.
Noho izany, nentina ny mpitsara isan-tsokajiny tarihin’ny tonia mpampanoa lalàna sy ireo tomponandraikitra eo anivon’ny fitsarana ambony. Miaraka amin’ny lisitry ny voafonja eny an-tanan’izy ireo tsirairay avy izy ireo, araka ny fanazavany. Manana ny lisitry ny voafonja koa ny eo anivon’ny fitantanana ny fonja, tarihin’ny tale jeneralin’ny fandraharahana fonja. Firy marina moa ireo voafonja? Izay no anton’ny fidinana ifotony teny amin’ny fonjan’ Antanimora, araka ny nambaran’ny minisitra.
R. Nd.




