Fiatrehana ny fifidianana : miantso ny tsy hifampihantsiana ny HCC

Nandray ny iraka manokana avy amin’ny Frankofonia (OIF), tonga eto amintsika ny eo
anivon’ny HCC, omaly, tetsy Ambohidahy. Voaresaka ny hiatrehana ny fifidianana amin’ity taona ity.

Nambaran’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent sady nanafatrafarany fa aleo atrehina ny fifidianana. “Aoka atsahatra ny fifampihantsiana sy ny fanompana na koa fanivaivana atao any amin’ny haino aman-jery sy ny “Facebook” any. Afaka mifanatona sy mifampiresaka isika”, hoy izy. Nanentana ny mpiantsehatra politika koa ny tenany mba hampitsahatra ny fandrangitana. Tsy mety amintsika sy ny vahoaka raha miverina indray ny korontana toy ny niseho tamin’ny taona 2002 sy ny taona 2009, araka ny nambarany. “Tsy mahasoa antsika izany fa aleo handeha sy hizotra am-pilaminana ny fifidianana”, hoy ihany izy. Natsi­diny fa azo atao tsara ny mandefa ny fanitsiana na fanatsarana ny lalàm-pifidianana ka alefa eny amin’ny parlemanta izany. Mankato izany ho lalàna ny anjaran’ny HCC, araka ny nambarany hatrany.
Tsiahivina fa nandefa iraka eto amintsika ary nihaona amin’ireo mpisehatra politika ny eo anivon’y OIF, tarihin’i Micheline Calmy-Rey. Anisan’ny anton-dian’izy ireo ny hamantatra ny fitsokan’ny rivotra politika eto amintsika.

Vonona ny eo anivon’ny HCC
Teo koa ny fanadihadian’ny Frankofonia ny anjara asan’ ny etsy Ambohidahy. “Ma­moaka ny voka-pifidianana izahay fa tsy mitovy amin’ny Ceni. Vonona tanteraka amin’izany asanay izany izahay, ao anatin’ny fanajana ny Lalàmpanorenana”, hoy iha­ny ny filohan’ny HCC.
Tsiahivina fa anisan’ny efa nihaona amin’ireto iraky ny OIF ireto ny avy amin’ny Ceni sy ny mpitarika ny HVM, Rajao­narimampianina Hery. Mbola hitohy amin’ny Andrimpanja­kana hafa izany fihaonana iza­ny, ho fiatrehana ny fifidianana.

Synèse R.

Partager sur: