Madagasikara sy Rosia : hifantoka kokoa amin’ny toekarena ny fiaraha-miasa

Nankalazaina ny taona 2022 ny faha-50 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’i Madagasikara sy i Rosia. Samy resy lahatra ny hanohizana ny fiaraha-miasa ny firenena roa tonta ary mitondra vokatsoa ho an’ny sehatra maro izany. Omena lanja bebe kokoa ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta ny lafiny fiarenana ara-toekarena, taorian’ny zava-nisy teto amin’izao tontolo izao. Manamarika dingana vaovao eo amina tontolo mankany amin’ny fiovana ara-jeopolitika izao jobily fankalazana izao.
Hahazo tombony kokoa eo amin’ny fiara-miasan’i Mada­gasikara sy Rosia, ny vina fierenan-doha ara-toekarena taorian’ny krizy ara-pahasalamana nanimba ny toekaren’ny firenena maro. Hitohy hatrany anefa ny fanohanana ny seha-piharina hafa, sahala amin’ny fambolena sy fiompina, ny fahasalamana, ny fandriam-pahalemana ary ny fampianarana. Fanohanana izay efa nataon’ny firenena Rosiana hatramin’izay. “Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Rosia, na dia eo aza ny fanapehan-kevitr’i Madagasikara manoloana ny ady eo amin’i Rosia sy Ukraine”, hoy i Andreev Andrey Vladimirovich, ma­soi­vohon’i Rosia eto Mada­gasikara.
Hihamatotra ny fiaraha-miasa. Samy resy lahatra ny firenena roa tonta, ary samy nahazo tombony tanatin’izay 50 taona niarahana niasa izay. Hisy ny fanokafana sy fanitarana izany fiaraha-miasa izany amina seha-piharina hafa sy sehatra hahazoana tombontsoa iraisana.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: