“Tandremo: mandeha ny fifidianana, fa aoka tsy harebireby intsony. 140 miliara Ar raha ny vinavina hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika, fa 70 miliara Ar no homen’ny fanjakana. Antsasa-manilan’ny vola ilaina izay 70 miliara Ar izay. Ratsy karakara ny fifidianana raha izany.” Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), i Gaby Vakiniadiana.
Tsy tokony hanana olana amin’izany ny fitondram-panjakana: raha vao mandray fahefana, tokony hanao fanomanana an’izay fifidianana izay. Milaza fa mahaleo tena koa ny Ceni, tokony hiomana amin’izany koa fa tsy izao vao mila famonjena etsy sy eroa. Ny olana: 70 miliara Ar ny vola homen’ny fanjakana ny Ceni. Nefa 140 miliara Ar ny vinavina hanatanterahana fifidianana filohan’ny Repoblika. Aiza no hahitana vola ? Tsy misy lalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana, taona 2023. Sa midika izany hoe tsy misy vola ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, matoa tsy misy azo hahitsy ny fananany?
Be dia be tokony hahitsy amin’ny tetibola, taona 2023, raha ampitahaina amin’ny zava-misy. Inona no tsy hanaovana ny fanitsiana ? Hatramin’izay, nasiam-panitsiana hatrany izany tetibolam-panjakana izany.
R. Nd.




