“Tsy Tetezamita io fa fifanarahana politika. Tapitra ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika. Nefa isika mila fifidianana madio sy mangarahara. Ho tratra ve izay? Ho tratra izay raha hahemotra kely ny fifidianana. Tsy mila Tetezamita izany.” Io ny fanazavan’ny mpandrindra nasionalin’ny vondrona Panorama, Randrianirina Jean-Ignace.
Tsy mila ravana ny andrimpanjakana, fa hatokisan’ny rehetra ny governemanta hikarakara fifidianana. Tsy Tetezamita izany fa fanohizana… Fandravana ny rafitra rehetra ny Tetezamita. Mijanona eo amin’ny toerany ny filohan’ny Repoblika, ka izay no tsy maha Tetezamita azy. “Havaozana ny lalàm-pifidianana. Anisan’izany ny momba ny Ceni mba tsy hitanila, mandray anjara avokoa ny ankolafy mpanao politika”, hoy izy.
Hijerena ny lalan-kivoahana mahazo ny firenena ny dinika ataon’ny FFKM, araka ny nambarany. Mety efa handeha ny fifidianana, fa navoakan’ny Ceni ny daty amin’izany. Nefa tsy mandeha amin’ny laoniny ny enti-manana sy ny fanomanana. Mbola any an-kibon’ny omby ny vola, efa nampanantenain’i Frantsa fa hojereny. Misy fifampiankinany izany. Mitaky fifidianana madio sy mangarahara ry zareo. Misy fifanarahana koa hatao. Tsy atoraka eny am-baravarankely ny volan’ny olona hanatanterahana fifidianana, ka hiafara amin’ny korontana. “Mbola baraingo avokoa izany”, hoy ihany izy.
R. Nd.




