Tsy eto an-toerana. Nanainga, omaly lasa any Frantsa ireo delegasion’ny Mihava Tour, maromaro, tarihin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny. Anisan’ny anton-dian’izy ireo ny hihaona amin’ny ireo zanaka am-pielezana Diaspora any Eoropa. “Hihaino ny hetahetan’ny vahoaka tsy an-kanavaka izahay. Anisan’izany ireo malagasy any ivelany. Mba manana ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena izy ireo. Mety tsy misy mihaino ka natao ho amin’izany ny Mihava Tour”, hoy izy. Nanteriny fa tsy voatery ho resy lahatra amin’ny tenany avokoa ireo Diaspora saingy zava-dehibe ny fifampihainoana sy fifampiresahana. Matetika tsy mifandraika amin’ny filan’izy ireo ny zava-misy eto amin’ny firenena. Notsiahiviny fa anisan’ny fanapahan-kevitry ny ekipan’ny Mihava Tour ny hampita ny hetsika eto an-toerana, amin’izao mialoha ny fetim-pirenena 26 jona izao ity. “Tsy tsara loatra izany ka ho any ivelany izahay…”, hoy ihany izy.
Hitohy any Etazonia amin’ny faran’ny volana jolay ny Mihava Tour.
Synèse R.




