Antoko MMM : “Fitsinjaram-pahefana ihany…”

Nitohy tany Ihosy, Iho­rombe indray ny fihaonan’ny mpitarika ny antoko Mala­gasy miara-miainga, Andri­a­nainarivelo Hajo tamin’ny vahoaka, ny sabotsy teo. Nihaino ny olana sy ny hetahetan’ny tany an-toerana ny tenany. Nambarany tamin’ izany fa fotokevitry ny antoko sady vahaolana amin’izany ny fitsinjaram-pahefana. “Ahazoan’ny eny ifotony ny fahefana sy mitantana ny hoavy ary fanomezana an­draikitra antsika amin’ny fiainana andavanandro izany”, hoy izy. Nanteriny fa mamaha ny olana eny ifotony izany fitsinjaram-pahefana izany ary mifandraika amin’ ny filàn’ny vahoaka. Na famoronana asa na fivelomana na koa ny fihariana…
Notanisain’ireo mponina rahateo ny olana sedrain’izy ireo. Ny olan’ny asa, ny fiom­piana omby sy ny famokaram-bary…
Etsy andaniny, mbola notakin’ny MMM ny hanazavan’ny filohan’ny Repo­blika, amin’ny nahazoany ny zom-pirenena vahiny. No­tsi­a­­hiviny fa efa nangatahany fony izy mpitarika Teteza­mita izany ary azony taty amin’ny taona 2014. “Ahoana no hinoana fa ho voaaro ny tanindrazana sy ny firenena raha nahazo zom-pirenena vahiny izy ? Mila valiana mazava izany… Filoham-pirenena ny resaka eto ary natao hiaro ny tombontsoam-pirenena sy ny fiandrianam-pirenena…”, hoy ihany izy. Nanteriny fa tsy azo ekena sy tsy mety izany ary manohitra izany ny MMM na iza te hitondra firenena na iza.

Synèse R.

Partager sur: