“Milaza ny And. 2 amin’ ny didim-panjakana tamin’ ny 2022-667 fa anjaran’ny Ceni sy ny rantsamangaikany ny mamariparitra ny fomba hanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Nisy fanapahan-kevitra maromaro noraisin’ny Ceni manao an’ izay hoe fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izay.” Io ny fanazavan’ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray, manoloana ny fitsikeran’ny mpanao politika sasany ny Ceni. Misy ny milaza fa tsy manara-dalàna amin’ny fanapahan-keviny nanome 20 andro hahazoan’ ny olompirenena manao fitarainana sy fanamarinana ny momba azy ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.
Manana zo fototra ny Malagasy amin’ny maha mpifidy sy azo fidina, araka And. 5 sy ny And. 15 ao amin’ny lalàmpanorenana. Noho izany, misoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana izy. Manaja an’ireo fifanarahana iraisam-pirenena maro momba ny zon’ olombelona hifidy koa i Madagasikara. Izay no narahin’ny Ceni, nahatonga azy nanome an’ireo olompirenena tsy nahatratra ny fisoratana anarana hatramin’ny fotoana nanaovana an’izany hahazoana manao fitarainana any anivon’ny fokontany sy ny rantsamangaikan’ny Ceni rehetra. Mba hahazoana misoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy izay.
Noho izany, nanaraka an’ io didim-panjakana 2022-667 io ny fanapahan-kevitry ny Ceni, indrindra ny momba ny tetiandro. Anjarany ny mamaritra an’izay, ary nanaraka an’izay ry zareo. Noho izay no nahatonga azy naka fepetra taty aoriana, fa maro ny olona no tsy afa-nisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy noho ny antony samihafa: mety tsy tao an-trano toy ny mpitrandraka vato, ohatra. Afa-manao fitarainana izy amin’izany. Izay zony hanao fitarainana izay no nomen’ny Ceni indray mandeha tamin’ny fanapahan-kevitra navoakany.
R. Nd.




