Filohan’ny FFKM, Andriamahazosoa Irako : “Henatra raha tsy mahita vahaolana ho antsika isika”

Nentin’ny FFKM am-bavaka tetsy amin’ny FLM 67ha, omaly, ny faha-63 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny fetin’ny Foloalindahy. Nohazavain’ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako
tamin’izany ny dingana irosoana amin’ilay fihaonambem-paritra.

“Mahamenatra raha tsy mahita vahaolana ho antsika isika. Natao hifampihainoana sy hiresahana ny fihaonambem-paritra tanterahan’ny fiangonana io”, hoy izy. Notsiahiviny fa natao hananganana ny An­drimaso FFKM eny ifotony ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fihaonana. Natao hanabeazana ny kristianina sy ny olom-pirenena izany. Entina hanarahana maso ny fifidianana, araka ny nambarany. Hiresahana ny olana sy ny hetaheta avy amin’ny mpizaika ny andro fahatelo. “Tsy mbola maka fanapahan-kevitra fa mila mifampihaino isika”, hoy izy.
Nitarika ny fotoam-pivavahana ny filohan’ny FLM, ny Rev Rakotozafy Denis. Nambarany teo am-panombohana fa manjakazaka ny tsy rariny sy ny fitsitokotokoana ary ny tsy rariny eny anivon’ny fiarahamonina sy ny tsy fifankahazoana. “Ma­nalavitra an’Andriamanitra isika”, hoy izy. Namaky ny tenin’Andriamanitra kosa ny Mgr Razanakolona Odon. Nitondra ny teny fampianarana ny filohan’ny Anglika­nina, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona.

Mba tsy ho seho ivelany

Nivoitra tamin’ny fiza­rana aim-panahy fa tsy araka ny fikasan’Andriamanitra ny zava-misy eto amin’ny firenena. “Tsy mbola tara anefa raha hanangana firenena vanona isika”, araka ny nam­barany.
Namaky ny ranom-bavaka ny filohan’ny FJKM. “Aoka ho porofoina amin’ny asa sy ny atao izany fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovan­tena ary fitiavan-tanindrazana izany fa tsy atao seho ivelany fotsiny ihany”, hoy izy. Nentina am-bavaka koa ny hiatrehana ny fifidianana ka handalan’ireo tomponandraikitra rehetra sy ny olom-pirenena ny fahamarinana amin’izany.
Niatrika izany teny an-toerana ny avy amin’ny Ceni sy ny parlemanta ary koa ny mpanao politika vitsivitsy.

Synèse R.

Partager sur: