“Fitadiavana fampisavorovoroana ny saim-bahoaka sy fambolena ady an-trano eto amin’ny firenena izany”, hoy ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard V., manoloana ny fivoizan’ny sasan’ ny hoe tsy mahazo mirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika izay mizaka zom-pirenena vahiny. Mazava ny And. 48 amin’ny lalàmpanorenana, milaza hoe izay te hirotsaka ho filohan’ny Repoblika dia mizaka ny zom-pirenena malagasy, feno 35 taona, ary eken’ny lalàna hoe manana ny zo sivika sy politika.
Efa ananan’ny filohan’ny Repoblika avokoa izany rehetra izany. Aoka ho fantatry ny rehetra fa ambonin’ny lalàna rehetra ny lalàmpanorenana, araka ny ambaratongan-dalàna. Izay no anaovana ny lalàmpanorenana hoe lalàna fototra. “Fitadiavana fampisavorovoroana ny saim-bahoaka sy fambolena ady an-trano eto amin’ ny firenena izany”, hoy izy.
Zava-niseho tany Côte d’Ivoire, ohatra, no tadiavin’ ny sasany hovoizina eto. Misy izany no heverina hoe tena Gasy ary misy ny Gasy tapany. Telo arivo no maty tany Côte d’Ivoire. Sakantsakanana tsy hirotsa-kofidina ny olona. Izay no mahatonga an’io resaka io. Nataon’ ny sasany avokoa izay fomba rehetra tsy hisian’ny fifidianana. Ho tanteraka izao ny fifidianana, tadiavin-dry zareo indray izay hampisavorovoroana ny saim-bahoaka sy hambolena korontana, araka ny nambarany.
R. Nd.




