Ho fantatra rahampitso alahady 18 jona, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ireo ekipa 4 voalohany, hiatrika ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 20. Tsontsorimamba isarahana ny fihaonana manomboka izao. Tsy misy intsony ny kajikajy fa mangoron-damba avy hatrany izay resy. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra […]
Mois : juin 2023
Jiu-Jitsu Brésilien : hatao etsy Soarano ny « Squad games »
Hatao anio amin’ny 2 ora tolakandro, ilay fifaninanana «Squad games», eo amin’ny taranja Jiu-Jitsu Brésilien. En Gi (manao kimono) ny hitranga amin’izany, ahitana ireto sokajy rehetra ireto. «Ankizy» : -8 -10 -12 -14 -16 taona. Sokajy olon-dehibe (débutant): -60 -67 -74 -81 -88 +88kg (6 lahy) + 1 open vehivavy(1). […]
Atletisma – «Mada 2023»: hatao eo Mahamasina ny fifaninanam-pirenena
Nambaran-dRaherison Dominique, filohan’ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA) fa hotanterahina eo amin’ny “piste tartan” ao amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja atletisma, sokajy rehetra amin’ity taona ity. Araka ny tetiandro napetraky ny federasiona, hatao ny 30 jona ka hatramin’ny 2 jolay izany. Mandray anjara amin’izany avokoa […]
Can sy Mondial 2026 : hojerena manokana ny mpilalaon’ny Barea
Manomboka izao, handray an-tanana ny fanohanana ny Barean’i Madagasikara ny minisiteran’ny Fanatanjahantena. Tanjona ny hanao Can sy Mondial 2026. «Hiditra an-tsehatra amin’ny fanampiana ny Barea de Madagascar, ny minisitera mpiahy manomboka anio», hoy i Haja André Resampa, minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), omaly, raha tonga nitsodrano azy ireo, […]
Tontolo iainana : mila foanana ny akora plastika
Tsy voafehy ! Araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena, mahatratra 460 tapitrisa taonina ny fako plastika maneran-tany, ny taona 2019 teo. Very eny amin’ny tontolo ankalamanjana rehetra eny ny 353 tapitrisa taonina amin’io, tsy misy toerana voafehy. Tsy manana fahefana ara-bola hifehezana izany anefa ny kaominina, sady tsy manana vahaolana maharitra.Voalaza […]




