Ho voavaly ny hetahetan’ny mpiasa sy ny mpampiasa. Anisan’ireo miatrika ny fihaonambe faha-11 eo anivon’ny OIT, tanterahina any Génève, ny filoha Andry Rajoelina ary handaha-teny ny tenany, anio. Ho an’i Madagasikara, mifanome tanana ny fanjakana sy ny mpampiasa ary ny mpiasa ho fanatsarana ny sehatry ny asa. Eo koa ny […]
Mois : juin 2023
Ady fiady !
Mihazakazaka mamoaka « dosie » na ireo karazana herijika hoenti-manimba ny mpifanandrina ny mpanao politika. Nahoraka ny resaka zom-pirenena, omaly. Manangona porofo ireo milaza ho afaka manao izany. Tonga hatramin’ny fampitandremana isan-karazany. Lasibatra izay nangataka zom-pirenena vahiny, tsy nandova ny razambeny. Tanjona ny hanalana ireo mitazona andraikitra sy ny hanakanana azy […]
Voaroba ny volabe: mpividy volamena voafira antsy, efa-dahy voasambotra
Maty voarasa antsy ny mpividy volamena roa lahy nitondra moto, afakomaly. Voaroba ny vola sy volamena. Lehilahy efatra vosambotry ny zandary. Voasambotra omaly ireo efa-dahy ahiana ho namono nahafaty ireo mpividy volamena roa lahy voarasa antsy tao amin’ny Pk 17, anatin’ny lalam-pirenena faha-14. Nitrangana vono olona mahatsiravina niaro fandrobana tao […]
Fandehanana mafy : moto tra-doza, iray namoy ny ainy
Maty vokatry ny ratra mafy nahazo azy ny lehilahy iray nitaingina moto tao Betoloho, Ambandrika, distrikan’Ambatondazaka, ny alatsinainy teo. Nandeha mafy, nifatratra tamina andrin-jiro ny moto nentin’ny naman’io lehilahy io. Nipetraka tao aoriana, nipitika avy hatrany ireto roa lahy ka namoy ny ainy ilay nentina. Naratra kosa ilay nitondra ny […]
Tsiroanomandidy : dahalo iray lavo, omby 60 tafaverina
Ravan’ny mpitandro filaminana ny asan-dahalo tao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, ny alin’ny 7 hifoha ny 8 jona teo. Niparitaka ireo dahalo 50 lahy ka votsitra teny amin’izy ireo ny omby halatra. Omby maherin’ny 60, tafaverin’ny mpanara-dia ireo dahalo 50 nanafika tao amin’ny fokontany Tsaratanàna, kaominina ambanivohitra Miandrarivo, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny faran’ny […]




