Manana vina ny hampiroborobo ny zavakanto sy ny kolontsaina ny tomponandraikitra amin’izany eto amin’ny Tanànan’Antananarivo. Izany no nanaovana izao hetsika izao, hanentanana ny vahoaka eny ifotony, indrindra ny ankizy sy ny tanora. Tontosa, omaly, teny amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny fifaninanana « Théâtre en rire ». Hetsika nokarakarain’ ny fitaleavana misahana ny zavakanto […]
Mois : juin 2023
Toekarena manga : hapetraka ny vinan’ny fanjonoana maharitra
Nanomboka ny alarobia teo ny atrikasa iraisam-pirenena hoentina mifampizara ny fahalalana, ireo traikefa nahatongavana amin’ny fahombiazana momba ny toekarena manga, ny jono madinika sy salantsalany ary ny fiarovana ireo rohy voahary an-dranomasina. Fivoriana natao ho an’ireo firenena aty amin’ny faritra atsinanana sy atsimo andrefan’i Afrika ary ny eto anivon’ny ranomasimbe […]
Famatsiam-bola : nanome 1,8 tapitrisa dolara ny Bad
Nanao fifanarahana roa sosona ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola, sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), ny 12 jona teo. Famatsiam-bola tsy averina mitotaly 1,8 tapitrisa dolara. Mitentina 1,3 tapitrisa dolara ny voalohany, hanatanterahana ny Faritra hifanakalozana ara-barotra malalaka ho an’i Madagasikara sy Afrika (ZLECAF), izay tsy mbola […]
Ambatofotsy Avaradrano: nampiana ny tantsaha tratry ny havandra
Nitohy, omaly, teny Ambatofotsy Avaradrano, kaominina Sabotsy Namehana, ny fanampiana ny tantsaha izay potiky ny havandra ny fambolena, ny volana mey teo. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, nanolotra vary 625 kilao, voanemba 250 kilao, vatsy tsinjo 50 isa, lafarinina 100 kilao. Nisy koa masomboly 150 fonosana sy […]
Matsiatra Ambony : velarantany 9000 ha horakofana ala
Hampiakatra ny harinkaren’ny mponina sy hanarina indray ireo toeram-pambolen’ny tantsaka amina kaominina enina ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony ny fandaharanasa miady amin’ny fikaohan’ny riaka ny nofon-tany (PLAE) andiany fahenina. Kaominina miisa enina ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony no horakofan’ala hatramin’ny taona 2027. Anisan’izany Ambalavao, Ambohimandroso, Iarintsena, Besoa sy Vohitsaoka ary […]




