Mois : juin 2023

Tsipy kanetibe – «Mada 2023» : hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena

Araka ny fanapahan-kevitra niarahan’ny filohan’ireo ligim-paritra sy ireo mpitantana ny klioba ary ny mpanohana, tinapaka fa hotanterahina ny 16 ka hatramin’ny 18 jona ho avy izao, eny amin’ny kianja Ivato, ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja tsipy kanetibe. Misokatra ho an’ireo mpilalao rehetra manana ny kara-pilalaovana ara-dalàna ary eken’ny Federation sport boule […]

“Fiba World Cup U19”: hihaona amin’i Chine i Madagasikara

10 andro mialohan’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja basikety “Fiba World Cup U19”, izay hatao any Debrecen, ny 24 jona – 2 jolay, hanao fiofanana any Serbia ny Ankoay. Araka izany, misy lalao andrana efatra ataon’ity ekipam-pirenena malagasy ity, ao amin’ny “Centre Vizura sport” Bel­grade. Anisan’izany, ny fifanandrinan’izy ireo […]

Araka ny didim-pitsarana : an’ny tantsaha ny tany Laniera secteur 12

Nanao fihetsiketsehana ny tantsaha mamboly eny La­niera, secteur 12 (XII), ny sa­botsy 10 jona teo. Satria, mbola misy manakorontana foana izany fitompoana ny tany izany. Ilay novakiana nanamboarana ny lalana avy eny Tsarasaotra mankany Ivato ity toerana ity, ahitana ta­nimbary sy fambolena le­gioma samihafa. Voaso­kajy ho fanajariana ny tany eny […]