«Ambanja rendez-vous», hoy ny hiran’ny Dr JB. Fotoana ifanomezana tokoa ny «Festival Sôrogno” isan-taona. Nanatombo ireo mpanakanto handray anjara amin’ity. Anisan’ireo «festival» ankavitsiana tsy niato hatramin’izay nisiany ny «Sôrogno any Ambanja. Antony iray mampipetraka ny lazan’ity hetsika ara-kolontsaina sy ara-toekarena ity ny fiomanana mialohan’ny fotoana. 3 volana mahery alohan’ny fotoana […]
Mois : juin 2023
Ankatoky ny fety : mifanaretsaka ny mpivarotra sy ny mpividy
Higadona afaka 12 andro ny fetin’ny Fahaleovantena. Mifanisa amin’ny mpividy ireo mpivarotra eny an-tsena sy eny amoron-dalana. Tena mameno ny tsena ireo mpaka entana amidy any ambanivohitra amin’izao fotoana, raha ny filazan’ny mpamongady. Ny fetim-pirenena rahateo no tena lanonana any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy satria sady miaka-bokatra. Mbola […]
Ankatoky ny fanadinana : maro ireo mpiadina tsy matoky tena
Midodododo manenjika ireo toerana fanaovana “cours” na famerenan-desona faramparany amin’izao ankatoky ny fanadinana izao, ireo tanora hiatrika ny fanadinana BEPC sy bakalorea. Antony ilàn’ny tanora tohana manokana ny tsy fahatokisan-tena, raha ny fanazavana nentin’ny mpampianatra mpanabe. Miahiahy sy mitebiteby ka mila alamina ny sainy mba hanana fahatoniana. “Mandavan-taona ny fianarana […]
Herinandron’ny fizahantany : natomboka tamin’ ny “Cleaning day”
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny La Haute ville, ny herinandron’ny fizahantany eto Antananarivo. Nisy, araka izany, ny hetsika «Tourism cleaning day». Nikarakara izany ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ary ny hetsika asa tanamaro nataon’ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tanjona ny hanadiovana ireo […]
Fakana an-keriny : mitaky ny fampiharana ny lalàna famaizana ireo olona varira
Mbola miaina anatin’ny tahotra sy ahiahy ireo olona manana toe-tena varira na dia efa nisy aza ny ezaka natao sy ny fihenan’ny taha, raha ny nambaran’izy ireo. Mila ampiharina mafy kokoa ny sazy famaizana ho an’ireo manao ny trangana tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny firenena. Nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Ny fampiatiana […]




