Miantso ny HCC hampitsahatra ny filohan’ny Repoblika amin’ny asany ny RMDM, manoloana ny fizakany ny zom-pirenena frantsay, araka ny nambaran’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tetsy Bel Air, omaly. Niantso ireo kandidà rehetra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena natao ny taona 2018 koa ireto avy amin’ny fanoherana ireto hivory ny zoma ho avy […]
Mois : juin 2023
Andriamoraniaina Niaina Harijaona: “Mbola marefo ny fanomanana ny fifidianana”
Nitondra ny heviny manoloana ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana ny eo anivon’ny Safidy, omaly. Nambaran’izy ireo fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy izany. “Raha ny fanomanana ny fifidianana amin’izao fotoana izao, hita fa mbola sarotra dia sarotra ary mbola lavitra amin’ny hoe tomombana sy mandeha araka […]
Praiminisitra Ntsay Christian : “Aoka isika ho tony sy tsy hikorontana”
Namarana ny fifanatrehan’ny loholona sy ny mpikambana eo anivon’ny governemanta, tetsy Anosikely, ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Nisy hafatrafatra napetrany tamin’izany. “Fotoana hanatanterahana fifidianana izao. Mila fitoniana ny firenena ka mitaky fandraisana andraikitry ny rehetra izany. Tsy ahitantsika tombontsoa ny korontana noho ny tsy fifankahazoana hevitra politika”, hoy izy. Notsiahiviny […]
Mitady ny very
Olana iray goavana lalovan’ny firenena ankehitriny ny fampiharana ny lalàna. Zary ady hevitra sy raisina amin’izay tiana handraisana azy sisa ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Mivoy izay tiany hovoizina sy mahametimety azy ny tsirairay. Ny tena zava-doza, ireo heverina ho manam-pahaizana momba ny lalàna sy ireo […]
Fandehanana mafy : telo mianadahy maty tsy tra-drano tetsy Ankorahotra
Telo mianadahy niara-maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy Ankorahotra-Tsiadana, afakomaly alina. Nirimorimo, nifatratra avy hatrany tamin’ny andrin-jiro ilay fiara Mazda. Nitrongy andrin-jiro tetsy Ankorahotra ny fiara iray mpitatitra mpiasa, afakomaly alina tamin’ny 10 ora sy 25 minitra. “Avy any amin’ny lalan’i Tsiadana io fiara io. Namantana avy hatrany tamin’ireo andrin-jiro”, […]




