Nitondra ny heviny manoloana ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana ny eo anivon’ny Safidy, omaly. Nambaran’izy ireo fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy izany.
“Raha ny fanomanana ny fifidianana amin’izao fotoana izao, hita fa mbola sarotra dia sarotra ary mbola lavitra amin’ny hoe tomombana sy mandeha araka ny tokony ho izy. Raha ny fanavaozana ny lisi-pifidianana fotsiny, ohatra: mazava fa tsy tratra ny tanjona. Mbola marefo ny paikady rehetra hanatanterahana an’ilay fanavaozana ny lisi-pifidianana.” Io ny fijerin’ ny tonia mpanatanteraky ny Safidy, Andriamoraniaina Niaina Harijaona, ny fanomanana ny fifidianana.
Eo amin’ny 10 tapitrisa eo ho eo ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana amin’izao. Manalavitra ny tanjona izay. Rehefa jerena, ny olona nahazo karapanondro tamin’ny taona 2022, ny 10% amin’ny voasoratra anarana amin’izany. Ireo olona nandalo tamin’ ny hetsika fanomezana karapanondro faobe tamin’ny fitsarana mitety vohitra ny maro. Ahoana ny paikady tokony ho nampidirana an’ireo manana karapanondro teo aloha izay efa vonona hisoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ary nankaiza ireny olona ireny? Anisan’ny iray mampisalasala izay.
Tsy mazava izay atao…
Raha tokony hikatona tanteraka ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy, nefa mbola mahita fomba hanitarana azy indray ny Ceni.
Tsy fantatra marina ny fototra ara-dalàna hahazoana manohy an’izay. Mbola marefo na ny vokatra azo na ny fomba hanatrarana ny vokatry ny fanavaozana izay na ny tanjona.
“Hanao fitsirihana izao ny manampahaizan’ny OIF, raha handefa tolo-kevitra fanatsarana: tsy hisy intsony ve ny fotoana enti-manatanteraka an’ilay fanatsarana? Satria efa tara ny paikady nametrahana ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy”, hoy izy Anisan’ny faharefoana amin’ny fanomanana ny fifidianana amin’izao izay.
Anisan’ny faharefoana koa ny momba ny tetibola hanatanterahana fifidianana. Ny tsy fisian’ny fangaraharana no olana ao anatin’izay. Tsy tena mametraka mazava ny Ceni hoe ohatrinona marina ny vola hahazoana mikarakara fifidianana matotra? Ary ny fitondram-panjakana tsy miteny mazava hoe ohatrinona marina ny vola azony homena hikarakarana fifidianana?
R. Nd.




