Mois : juin 2023

Antenimierandoholona sy La Réunion : fambolen-kazo 1 tapitrisa amin’ny 2024

Taorian’ny dia natao tany La Réunion, ny febroary 2023 teo, noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana tao amin’ny birao fiasany, etsy Anosy, ny filohan’ny Région Réunion, i Huguette Bello, omaly. Nohamafisiny ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, toy ny lafiny tontolo iainana, izay hametrahana vina, hamboly hazo 1 000 000 amin’ny taona 2024. Eo […]

Tetikasa F4F: Ampivadiana ny fambolen-kazo sy ny voly

Miasa any amin’ny faritra roa, Diana sy Boeny, ny tetikasa « Global Forest for Future» (F4F). Manohana azy ara-bola ny minisitera alemà ho an’ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampandrosoana, amin’ny alalan’ny Fiaraha-miasa alemà ho an’ny fampandrosoana (GIZ). Tanjona ny hamerenana amin’ny laoniny ny tontolo manodidina sy ny ala (RPF). Miara-miombon’antoka manatanteraka […]

Tontolon’ny fitsarana : nametraka paikady ny minisitera

“Tafiditra ao anatin’ny fa­na­tsarana ny fandraharahana eo anivon’ny fitsarana ny fa­me­trahana tomponandraikitra va­o­vao. Anisan’ny paikady hanatrarana ny tanjona iza­ny”, hoy ny minisitry ny Fi­tsa­rana, Randriama­nan­te­na­soa Landy Mbolatiana, ny herinandro teo, tany Amba­ton­drazaka. Namba­ra­ny fa hanamafisana izany ny fanamboarana ny fitantanana ny mpiasa, tahaka ny an’ny sehatrasam-panjakana rehetra hitondrana fanavaozana. Misy […]

Fanaraha-maso lisitra mpifidy : tsy tokony hiandrasana fotoana farany

“Dieny izao, raha vao tonga eny amin’ny fokontany izay lisitry ny mpifidy ka ma­metraka petadrindrina fanentanana ny olompirenena ha­na­ra-maso ny fokontany: mila mijery haingana an’izay ny rehetra mba hahazoana miantoka ny fanarenana. Indrain­dray, miandry fotoana farany ny maro… ” Io ny nambaran’ ny mpampakateny, Andriama­ro­tafika Soava, momba ny famaranana ny […]