Ho raikitra amin’izay!

 

Izay vao mazava ny lalan-komban’ilay firenena mala­gasy! Hivoaka ny volabe hoentina manatanteraka ny fifidianana. Miandry ny datin’andro fiantsoana ny mpifidy ny rehetra dia raikitra ny lalao. Mahatratra 2 tapitrisa Euros ny mety homen’ny Frantsay sy ny Vondrona eoropeanina. Mazava be rehefa mipotsaka ny mpiara-miombon’antoka, tsy misy intsony ny mpilalao hanao kinanga. Tsy maintsy miroso na tiana na tsy tiana.
Mbola nametraka fepetra ny tompom-bola. Anisan’ ireny ny famelana malalaka ny hery velona rehetra ho afaka ny haneho hevitra. Tsy afa-miala amin’ny baikon’ny vahiny ny Malagasy. Indrindra ny mpitondra izay nomem-pahefana hitarika ny zava-drehetra. Marina fa milaza ny eo anivon’ny Vaomiera manokana misahana ny fifidianana fa mbola misy ny fifampiraharahana amin’ny governemanta amin’ny ampaham-bola sasany. Tsy manakana ny firosoana miandalana amin’ny fanatanterahana ny asa izany. Ny fanamarinana ny lisitry ny mpifidy rahateo efa nifarana afakomaly.
Miandry ny kiririoka ho fanomboana ofisialy ny lalao ny rehetra. Ny mpifanandrina efa hita eny an-kianja avokoa. Tsy anatin’ny fanafanana tena intsony, tena anatin’ny ady handrombahana ny fandresena.
Ho an’ny mpijery sy ny mpanohana, efa sasa-miandry hatry ny ela. Hany vahaolana hialana amin’ny olana sosialy sy toekarena mikiky ny isan-tokantrano ny fisian’ ny fifidianana. Ny fifidianana demokratika, hanehoan’ny mpifidy ny heviny dia mitondra fitoniana ho an’ny tsirairay. Mitaky andraikitra sy fahatsapan-tena goavana anefa avy amin’ny sokajin’olona rehetra. Ny fahaizana na tsia misa­fidy izay ho Filoham-pirenena no antoka ho an’ny dimy taona manaraka. Tompon’antoka feno amin’ny hoaviny ny vahoaka. Ny mahavelombolo aloha, raikitra ihany izy ity.

r.r

Partager sur: