Nitrangana firehetana tany amin’ny tanànan’Amborondra, omaly tamin’ny 11 ora atoandro, araka ny vaovao navoakan’ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ambanivohitra Amborondra, tao amin’ny tambajotran-tserasera, omaly ihany. Dimy mianaka niara-main’ny afo tao amin’ny lalankely eo avaratry ny tanàna, nandritra izany. Nahitana zazavavikely 2 taona, Zazavavy 5 taona, vehivavy 25 taona, vehivavy 20 taona ary renim-pianakaviana 67 taona. Samy monina ao Amborondra avokoa izy ireo. Olona dimy mianaka handeha hamonjy fahoriana ireo tra-doza ireo, main’ny afo, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary any amin’ny tobim-paritra Sahasinaka. Naratra sy tena voa mafy noho ny fahamaizana ireo olona dimy mianaka ireo. Taorian’ny loza, nentina nihazo ny hopitaly ao Amborondra ireo niharan-doza. Noho ny fisian’ny doro tavy izay tsy voafehy tany an-toerana no antony nahatonga ny loza.
Ankoatra izany, lehilahy 35 taona, tany an-toerana, no nipetrahan’ny ahiahy ho fototra niandohan’ny afo. Nosamborina avy hatrany ity farany taorian’ny tranga ary nentina nohadihadiana any amin’ny biraon’ny zandary. Mba hialana amin’ny fitsaram-bahoaka mety hiseho ihany koa. Efa misokatra ny fanadihadiana izay iandraketan’ny zandary avy amin’ny tobim-paritra Sahasinaka.
Mino





