200 tapitrisa Ar ny fandraisana anjara amin’ny fanontana bileta tokana, araka ny tolo-kevitry ny Ceni, tamin’ny fanapahan’ny governemanta teny Mahazoarivo, afakomaly, momba ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Tamin’ny 2013 no nisy fanovana farany izany, izay 50 tapitrisa Ar.
Ny alakamisy 9 novambra ny fihodinana voalohany. Ny alarobia 20 desambra ny fihodinana faharoa, raha hisy. Andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ny 9 novambra sy ny 20 desambra raha misy ny fihodinana faharoa. Ny alarobia 23 aogositra ka hatramin’ny alarobia 6 septambra 2023 ny fametrahana ny firotsahan-kofidina eny amin’ny HCC. Ny sabotsy 9 septambra farafahelany no mamoaka ny lisitra ofisialin’ny kandidà ny HCC.
Ny talata 10 oktobra ka hatramin’ny alarobia 8 novambra 2023 ny fampielezan-kevitra fihodinana voalohany. Ny talata 5 desambra ka hatramin’ny talata 19 desambra 2023 ny fihodinana faharoa raha misy. Bileta tokana no hampiasaina amin’ny fifidianana.
R. Nd.