Nifarana, omaly, rehefa naharitra roa andro ny fihaonambem-paritra ho an’Antananarivo karakarain’ny FFKM, etsy amin’ny FLM Ambatovinaky. Voaresaka ny momba ny hiatrehana ny fifidianana.
“Mizaka ny zom-pirenena malagasy, olon’ny fahamarinana, mahay mihaino…”, hoy ny sasany amin’ireo mpanao politika sy ny fiarahamonim-pirenena momba ny tokony ho kandidà amin’ny fifidianana. Notakin’izy ireo koa fa ilaina ny fampanjakana ny fahamarinana, amin’ny fifidianana. Teo koa ny fampahatsiahivana ny foto-kevitry ny FFKM ho an’ny mpanao politika : “Fibebahahana, famelan-keloka, fihavanana, fahamarinana – 4F”. Lohahevitra itondran’ny fiangonana ny fihaonambem-paritra : “Omeko fahefana ianao anio amin’ireo firenena sy fanjakana mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanorina sy hamboly indray”.
Nambaran’ny HVM fa tsy tokony ho tandrametaka sy hiteraka korontana ny fifidianana. “Mametraka fanantenana amin’ny FFKM izahay hijerena vahaolana sy ireo fitakiana amin’ny tsy fetezana rehetra”, hoy ny sekretera jeneraly, Rasambany Desiré.
Andrimaso FFKM eny amin’ny birao fandatsaham-bato
Nitaky ny hanalalahana ny fahazoana mamory vahoaka kosa ny sekretera jeneralin’ny Tim, Andriamasinoro Riana. Notsiahiviny koa anefa fa ahiana ho maty momoka ny tokony hanatsarana ny lalàm-pifidianana.
Nanambara kosa ny sekretera jeneralin’ny FFKM, ny Rev. Ranaivoarivelo Vonjisoa Tahiry, fa ezahin’ny fiangonana ny hanangana ny Andrimaso, hanara-maso ny fifidianana hatreny ifotony. Nomarihina kosa anefa fa fakan-kevitra izao atao izao. “Tsy misy fanapahan-kevitra raisina. Tompon’ny teny farany ny fikaonandoham-pirenena ary ho hita eo ny homena ny fehin-kevitra aorian’izany”, hoy izy.
Synèse R.