Ankatoky ny fifidianana, samy manana ny firehany ara-politika avokoa ireo kandidà. Efa samy mamolavola ny paikady entiny handresena mandritra ny fifidianana na ny mpanohitra na ny am-perinasa. “Samy mampanantena fahagagana entina hampandrosoana firenena ireo kandidà izay hirotsaka eo”, hoy ny filohan’ny Fitrama, Rafanomezantsoa Jean Nirina nandritra ny valan-dresaka nataony tamin’ny mpanao gazety, afakomaly. Tsy afa-miala amin’ny kandidà roa goavana anefa, dia ny filoha Rajoelina sy ny filoha teo aloha, Ravalomanana ny vahoaka Malagasy amin’ity fifidianana ity. “Ireo kandidà roa ireo ihany hatreto no manana herijika hiatrehana ny fifidianana”, hoy izy. Etsy ankilany, tsy tokony ho voarebirebin’ny politika intsony ny vahoaka. Efa anaty fahasahiranana tanteraka, mila mifototra amin’ny firaisankina ny tsirairay ahafahana mampandroso ny firenena. “Zarazarain’ny fahasahiranany sy ny firehena politika ny vahoaka”, hoy i Jean Nirina. Marihina fa ho tontosaina ny 9 novambra ho avy izao ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Atao ny 20 desambra kosa ny fihodinana faharoa.
Tsiferana R.