INDRAY MIJERY

Vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 1 848 no napetraka eny amin’ny CSB rehetra nanomboka ny taona 2019. 75 fotsiny izany ny 2013 raha efa
2 788 ny CSB manana an’izany ankehitriny. Mbola hitohy ny fame­trahana ity fitaovana ity, hoy ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka.
1/3 ny olona tombanana fa mitondra ny tsimokare­tina VIH no mahalala ny toe-pahasalamany. Ny 2/3 ambiny tsy mahafantatra ary mbola mamindra amin’ny hafa, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny faran’ ny herinandro teo, teny Anosy. Latsaky ny 30 % amin’ireo vehivavy mitondra vohoka tonga nisafo voalohany tany amin’ny tobim-pahasalamana no nanao fitiliana VIH/Sida.
Efa nanomboka ny fiofanana maimaimpoana tamin’ny hetsika “Fijery hafa” tao amin’ny faritra Sava. Hatramin’izao, olona 1 018 no efa nahavita fiofanana tamin’ireo taranja nato­lotra, izay manampy amin’ny famoronana asa sy fivelomana. Mahasarika olona ny fandrahoan-tsakafo sy ny fanaovana mofo, manaraka izany ny fiompiana akoho nohatsaraina ary fahatelo ny asa fanorenana. Mbola mitohy ihany koa ny fiofa­nana amin’ireo sehatra teknika hafa, toy ny fandrafetana hazo, ny mécanique automobile.
Tsy mbola nivoaka hatramin’izao ny didy fampiharana ny lalàna 2016-058 efa lany teny anivon’ny antenimiera roa tonta, ny taona 2016, momba ny fametrahana Fonds national pour la vaccination. Hanao adisisika amin’ny mpanatanteraka ireo solombavambahoaka hamoaka io “décret d’application” io, hanatsarana ny famatsiana sy fividianana vaksiny.

Partager sur: