Nandritra ny fandalovan’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Chaminah Loulla, tao amin’ny oniversiten’i Toliara, ny herinandro lasa teo, nandray ireo toko telo ny tenany. Ahitana ny mpianatra, mpampianatra ary mpandraharaha izany, ahafahana manatsara ny tontolon’ny fampianarana ambony any an-toerana.
Namaly ny fanontanian’izy ireo ny minisitra ary nanamafy fa hiezaka hatrany ny fitondram-panjakana mitondra vahaolana araka ny laharam-pahamehana. Hanatsara ireo fotodrafitrasa ihany koa. Efa mandeha ny fikarakarana ny antotan-taratasy rehetra mila ny fankatoavan’ny minisitra. Anisan’izany ny mahakasika ny fampidirana mpandraharaha sy mpampianatra, ny fanomezana izany araka ny filan’ny oniversite tsirairay.
Taorian’ireo fihaonana rehetra, nandray ireo mpampianatra an-tselika na « vacataires » ny minisitra. Nanotrona azy, nandritra izany, ny Tale misahana ny maha olona eo anivon’ny minisitera, i Lahady Victor, ny Tale misahana ny lalàna, Rakotondrazaka Tina José, ny filohan’ny oniversiten’i Toliara, Dr Veriza Roberto Francis.
Nanao hetsika fitakiana vatsim-pianarana sy ny famahana ny olana momba ny fahatapahan-jiro lavareny teny anivon’ny oniversite ny mpianatra tany Maninday Toliara, ny volana avrily lasa teo, ary efa nitondra vahaolana ny fanjakana.
Vonjy




