Lalàm-pifidianana: tsy mbola tara ny fanatsarana

“Tsy mbola tara ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana eto Madagasikara. Raha tsy mitovy tantana ny fifaninanana ao anatin’ny fampielezan-kevitra, sns, ho be indray ny tsy ho faly amin’izay ho voka-pifidianana na iza na iza voafidy eo. Mety hisy korontana aorian’izay. Izay no mila sorohina mialoha”. Io ny fa­nazavan’ny ny tale mpanatanteraka eo anivon’ny Trans­pa­ren­cy Inter­natio­nal – Iniative Ma­da­gascar, Rafi­to­­son Keta­kan­­dri­na, momba ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika. Rehefa tapa-kevitra ha­metraka lalàna ny mpitondra, vitany hatrany izay na ivelan’ny fo­toam-pivorian’ny An­teni­miera roa tonta aza. “Mbola manam-potoana isika raha mbola te hanova na hanavao na hanatsara ny lalàm-pifidianana izao”, hoy izy. Arakaraka ny fahatapahan-kevitra sy ny fahavononana io. Fanirian’ny rehetra ny hisian’ny fifidianana milamina, ary vo­ka-pifidianana mangarahara sy manaja ny tena safidin’ny olompirenena.
Mila hatao mangarahara ny loharanom-bola ampiasain’ireo kandidà. Mila ferana koa ny fampiasam-bola amin’ny fampielezan-kevitra.

R. Nd.

Partager sur: