Mirongatra izaitsizy ny endrika fanolanana sy fametavetana ankizy, araka ny antontan-taratasin’ady miakatra eo anivon’ny sampana fitsarana ady heloka bevava Toamasina ho an’ny andiany voalohany. Ho an’ny alakamisy 6 jolay 2023 teo, antontan-taratasin’ady efatra indray ahitana fanolanana avokoa. Ny roa amin’ireo raim-pianakaviana roa samihafa indray voarohirohy. Voalohany, ny antontan-taratasin’ady laharana faha 94-Toa/22-3107-RP/18 nahavoarohirohy an’i Thomas ho nanolana narahina herisetra ankizy 11 taona, ny taona 2018. Tsy tonga nanatrika ny fotoam-pitsarana ny voampanga noho izy efa nahazo fahafahana vonjimaika vao telo volana nidirana am-ponja. Nandritra ny fanazavan’ny renin’ilay niharam-boina, mpitondra varo-mandeha ny fiveloman’izy ireo. Tsy manambady izy ka nalaina i Thomas, 17 taona tamin’io fotoana io mba ho naman-janany ao an-trano mandritra ny fotoana tsy maha eo ilay renim-pianakaviana. Nandritra izany anefa no nanamparan’ilay nahavanon-doza ny herisetra sy ny filan-dratsiny ity ankizy ity. Araka ny fitantaran’ilay niharam-boina manoloana ny fitsarana, notereny izy ka norahonany raha toa ka tsy manaiky ny sitrapony. Taorian’ny fifandaharana manoloana ny fitsarana, nilatsaka ny didy ka voaheloka hamita
sazy telo taona an-tranomaizina sazy mihatra. Tsy vitan’izay fa narahina didy fampisamborana i Thomas miampy onitra 1 tapitrisa Ar amin’ireo niharam-boina.
Sajo