Notolorana ny mari-pahaizana voalohany ireo zaza 15 mianatra ao amin’ny kilasy farany ambany “petite section” ao amin’ny sekoly Meraki Ambohidrapeto Itaosy, afakomaly.
Sekoly mamolavola ankizy sahirana ara-pivelomana. Nanatrika izao fanolorana ny mari-pahaizana izao, ny mompera Pedro avy ao amin’ny Akamasoa, ny Consul honoraire an’i Espagne sady tale jeneralin’ny Groupe Filatex. Teo koa ny ben’ny Tanànan’Ambohidrapeto ary ireo tomponandraikitra sy mpilatsaka an-tsitrapo miasa eo anivon’ny sekoly, miampy ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Mpianatra 45 no nisitraka izany mari-pahaizana izany sady nifindra kilasy. Nisitraka manokana ny fianarana teny anglisy sy espagnol koa izy ireo. “Miarahaba ireo mpianatra sady mankahery anareo ray aman-dreny misedra fahasahiranana kanefa mbola mazoto hatrany mampianatra ireo sombiniaintsika aho”, hoy i mompera Pedro. Nankahery ireo ankizy mba hazoto hianatra satria mitarika fahatontosana sy fahafenoana ary fahasambarana amin’ny fiainana izany, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Groupe Filatex. “Ny groupe filatex dia manohana hatrany ny fanabeazana ary tao anatin’izany indrindra no nanamafisana fa hisy ny hetsika hatao mba hahazoan’ireo zaza ireo toerana hilalaovana sy hanaovana fanatanjahantena”, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Filatex. Marihina fa ity sekoly ho an’ny ankizy ity dia naorina ny septambra 2021, teo ambany fitarihan’ny mpanorina azy, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Nasehon’ireo ankizy ny fahaizan’izy ireo teny anglisy sy espagnol teo anatrehan’ny ray aman-dreny. Nankasitraka ny fanohanana ireo zanaky ny sahirana ara-pivelomana ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ity sekoly ity.
Jean Claude