Vondrona iraisam-pirenena momba ny asa: nankasitraka ny ezaky ny fitondrana ny OIT

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, i Yvette Sylla, ny talen’ny biraon’ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny asa, Dr Coffi Agossou. Notantera­hina Ny 11 jolay 2023, teny amin’ny minisiteran’ny Raha­ra­ham-bahiny izany fihaonana izany. Mahakasika ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) no noresahina tamin’izany. Teo ihany koa ny jery todika momba ny fifanarahana natao sy ny asa vita.
Nanomboka ny taona 2019 no mankaty, fivoriambe iraisam-pirenena roa, nokarakarain’ny OIT, no nandraisan’i Madagasikara anjara. An­koa­tra izay, fifanarahana 4, ma­nodidina ny fandavorariana ny tontolon’ny asa ihany koa no nosoniavin’ny fitondrana malagasy, tamin’ny alalan’ny filoham-pirenena, Rajoelina An­dry. Tafiditra anatin’izany ny famoronana asa, ny fanajana ny zon’ny mpiasa, ny fampiroboroboana ny fiarovana ara-tsosialy ary ny fifanakalozan-kevitra ara-tsosialy. Ny mponina voasokajy ho marefo ara-pivelomana, ny manana kilema, ny vehivavy ary ireo monina any amin’ny faritra Atsi­mon’ny Nosy no natao laharam-pahamehana tao anatin’izany asa sy ezaka izany.
Fantatra nandritra izany ihany koa ny mbola fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena faha-111 momba ny asa, atao any Genève.

Lin

Partager sur: