« Akon’ny Antenimierampirenena »: nivoaka ny laharana faha-17

Mitohy sy mivoatra hatrany. Nampahafantarina, omaly 13 jolay, teny amin’ny Motel Anosy, ny gazety boky «Akon’ny Antenimierampire­nena» laharana faha-17. Fia­raha-miasan’ny Antenimie­ram­pi­re­nena sy ny Pnud ny nahatontosana izany. Raha tsiahivina, nanomboka ny taona 1982 no efa nisy ity gazety boky vokarin’ny mpiasan’ny Antenimierampirenena ity. Tenim-pirenena telo no hita ao anatiny : teny malagasy, frantsay ary anglisy. Nivoatra hatrany ny gazety noho ny fanohanan’ny Birao maharitra sy ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.
Nisy ny famelabelaran-kevitra mikasika ireo lahatsoratra hita ao anatin’ny «Akon’ny Antenimierampire­nena» faha-17. Nasongadina ny momba ny diplomasia parlemantera nahitana ny asan’ny parlemanta eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Teo koa ny momba ny tetikasa ara-pahasalamana sy ny fiarovana amin’ny aretina ara-pananahana (SDSR), fiaraha-miasan’ny Antenimierampire­nena sy ny Sadc.
Nofaranana tamin’ny adihevitra sy fanontaniana teo amin’ny mpandray anjara ny atrikasa. Nanotrona ny fotoana ny solontena avy amin’ny solombavambahoaka, ny An­te­nimierandoholona, ny firaisamonim-pirenena, ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Antenimierampirenena, ny avy amin’ny anjerimanontolo.

Andry F.

Partager sur: