Fanahiana krizy : manana vahaolana hisorohana korontana ny Arema

Nanolotra volavolan-dalàna teny amin’ny Antenimiera, teny Tsimbazaza, momba ny lalàm-pifidianana ny Arema, afakomaly. Natao hisorohana ny mety ho fifandirana sy ny korontana izany, araka ny nambaran’izy ireo. Voarakitra ao anatin’ny tolo-kevitra ny hampiasana ny « Machine à voter” sy ny fampiasana ny “Carte biométrique ». Namba­ran’ny Pr Andrianarisoa Ange fa ahazoana tombony maro ny fampiasana izany teknolojia vaovao izany. “Ho voafehy tanteraka ny fikirakirana ny fifidianana. Ho foana ny “Doublons” ary hivoaka anaty fotoana fohy ny voka-pifidianana”, hoy izy. Azo ampiasaina ny angovo azo avy amin’ny masoandro, ahafahana mampihodina ilay fitaovana, ho an’ny any amin’ny tany lavitra.
Ho voasoroka mialoha ny ra mandriaka
Nanteriny fa tsy mandany volabe izany ary ahatongavana amin’ny fifidianana azo antoka sy eken’ny rehetra
ary mangarahara tanteraka. Ana­nan’ny vahoaka fahatokisana amin’ny vokatra mivoaka ao aorian’ny fifidianana, araka ny nambarany. “Ho voasoroka mialoha ny mety ho fifandirana sy olana ateraky ny fifidianana”, hoy ihany izy.
Mazava ny azy ireo fa tsy afaka ny hitazam-potsiny ma­noloana izao firosoana amin’ny fifidianana izao ka nandray fanapahan-kevitra, ho amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana sy hisoroka, mialoha, ny mety ho savorovoro eto amin’ny firenena.

Synèse R.

Partager sur: