Filoha teo aloha, Ravalomanana : « Tsy ara-dalàna ny anto-bola 200 tapitrisa Ar »

“Tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny fanovana ny anto-bolan’ireo kandidà ho lasa 200 tapitrisa Ar”, hoy ny filoha teo aloha, Ravalomanana, teny Faravohitra, afakomaly. Raha ny And. 47 amin’ny lalàmpanorenana, fifidianana mialoha ny fotoana izao fifidianana hatao izao. Noho izany, araka ny And. 9 ao amin’ny lalàna fehizoro lah. 2018-009 mifehy ny fifidianana filohan’ny Re­poblika, ny fandraisana anjara na ny anto-bola tamin’ny fifidianana teo aloha ihany no tokony hampiharina.
“Mitaky ny fanatanterahana ny fifidianana izahay, nefa tsy hanaiky ny tsy fanarahan-dalàna na ny hosoka sy ny teti-dratsy rehetra”, hoy izy. Adidin’ny Ceni ny mandray ny fepetra rehetra araka ny fahefany mba hahazoan’ny rehetra mandray anjara sy manao latsa-bato, tomponandraikitra amin’ny izany fifidianana izany. Mila mandray ny fepetra ny fanjakana hiantohana ny fahalalahan’ny antoko hanao ny hetsika sy famoriam-bahoaka milamina hanomezana fanabeazana ara-pifidianana ny vahoaka. Mila atsahatra ireo sakantsakana sy fampihorohoroana amin’ny endriny rehetra atao amin’ny mpanohitra.

R. Nd.

Partager sur: