Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena, ny mpandinika ny raharaha politika, Raveloson Constant. Anisany nohazavainy ny momba ny fifidianana sy ny mety hambaran’ny filohan’ny Repoblika, i Andry Rajoelina.
Nambarany tamin’izany fa misy fandrika marivo tototra ny datim-pifidianana navoakan’ny governemanta io ka voajono amin’izany ireo rehetra voan’ny tazon-tseza. “Sahirana ny filoha ka hiditra amin’izany. Hanao fifidianana tsy misy fikaonandoha mialoha tahaka ny 2013 sy ny 2018. Ho voa avy eo vao hitabataba”, hoy izy. Nanteriny fa veloma hatreo izany ny dinika tokony hifampierana hanatsarana ny fifidianana.
Nambarany koa fa tsy misy ny vola hahavitana fifidianana. “Iza ny mpanefoefo hiantoka izany na ny hiasan’ny Ceni fotsiny aza? Vela-pandrika izany”, hoy izy.
Ho kandidà na tsia Rajoelina
Momba ny hambaran’ny filoha ny alahady izao kosa, nohitsiny fa manery azy ankolaka tsy ho kandidà ny zava-misy. “Fihantsiana sy hampipoaka ny savorovoro efa misy ny hanambarany fa ho kandidà izy nefa tsy mbola voavaha ny olana amin’ny maha “Vazaha tapany na manontolo azy”, hoy Raveloson Constant.
Nambarany fa hamafa ilay daty sy fepetra efa navoaka ary hampifanaritaka raha hilaza izy fa hamboarina ny didy aman-dalàna ahafahany mirotsaka. “Indrindra ka hilaza izy fa hifampidinika sy hifandamina amin’ny mpiray firenena ny amin’ny fomba hitondrana ny fifidianana”, hoy ihany izy. Notsindriny fa ho fantatra eo raha matotra sy mahazaka andraikitra ary sahy amin’ny holazainy ny filoha. Raha tsy hoe hamerivery resaka indray.
Synèse R.