Notontosaina teny Ampitifirana Ankatso, omaly, ny lanonam-pahatsiarovana ny nitifirana ireo maherifon’ny firenena tao amin’io toerana io. Ny 19 jolay 1948 no nitifirina ireo maherifon’ny firenena nitaky ny fahafahana sy ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Ireto avy ireo maherifon’ny firenena namoy ny ainy ho an’ny Tanindrazana teo amin’ity toerana ity : ny Lietnà Randriamaromanana Albert, Rakotondrabe Samuël, Ratsizafy Samuël, Bekamisy ary Lezoma. Nitarika ity lanonam-pahatsiarovana ity ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, notronin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de police, Randrianarison Fanomezantsoa ary ny Seg, ny Jly Gellé Serge, niaraka tamin’ny COMGN, ny lehiben’ireo etamazaoron’ny Tafika. Nisy ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambato nataon’ireo andiany mitondra ny anaran’ny Lietnà Randriamaromanana avy ao amin’ny Semipi sy ny avy amin’ny CEDS. Nofaranana tamin’ny fitsidihana ny tranoheva fampirantiana ny tantaran’ireo maherifo izany.
Jean Claude




