Fanamarihana fetin’ny Fahaleovantena : Efa any Tchad ny filoha, Randrianirina Michaël

Efa nigadona tao N’Djamena, renivohitr’i Tchad, omaly, rehefa avy niainga teto Madagasikara ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika.

Maromaro ny anton-diany any amin’ity firenena Afrikanina ity. Tafiditra amin’ny famaliana ny fanasana avy amin’ny filohan’i Tchad, ny Marechal Ma­hamat Idriss Deby Itno, izao fivahinianany voalohany any Tchad izao. Hankalaza ny faha-66 taona niverenenan’ny fahaleovantena rahateo ity firenena ity ka anisan’ny vahiny nasaina manokana hanatrika izany ny filohan’ny Fana­vaozana.
Ankoatra izany, hihaona manokana amin’ny filohan’ity firenena ity, ny Kly Randria­nirina Michaël, araka ny fandaharam-potoanany.
Etsy andaniny, anisan’ny filoham-panjakana nasaina amin’izany koa ny filoha’ny Guinee Bissau, i Umaro Sis­soco Embalo. Tsy azo ihodivirana ao anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa, ara­ka izany, ny fihaonana eo amin’ny filoha telo tonta.
Tombanana ho anisan’ny voizin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël amin’izao fihaonana izao ny politika sy ny foto-keviny amin’ ny fanomezan-danja ny samy firenena Afrikanina.
Tsiahivina fa anisan’ny firenena aty Afrika vao notsidihin’ny filoham-panjakana nialoha izao fivahinianany any Tchad izao ny tany Egypte ny faran’ny volana jolay teo

.
Mi.Raz

Partager sur: