Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Arema, tamin’ny alalan’ny sekretera nasionaly, Ratsiraka Annick. Anisan’izany ny momba ny volavolan-dalàm-pifidianana naroson’izy ireo.
Nambarany fa nanolotra ny volavolan-dalam-pifidianana teny amin’ny Antanimierampirenena izy ireo. Tanjona ny ho fanatsarana ny zotram-pifidianana. “Fandaminana izany fa tsy fanemorana ny fifidiana. Hatao manara-penitra ny fifidianana ary hanaraka ny toetrandro amin’ny fampiasana ny karapanondro “Biometrika” sy ny “Machine à voter” fa tsy ho tahaka ny teo aloha”, hoy izy. Nanteriny fa azo atao tsara ny manatanteraka izany fanatsarana izany ao anatin’ny fotoana fohy, araka ny fanazavana nomen’ireo teknisiana miara-miasa amin’ny Arema.
Momban’ny anto-bola ho an’ ny kandidà, 200 tap Ar kosa, tsy manana olana amin’izany izy ireo. Na izany aza, nohitsiny fa lasa natao ho an’ny manambola ny fifidianana eto amintsika matoa natao midangana tahaka izao ny petra-bola ho firotsahan-kofidiana, araka ny nambarany.
Nitety faritra ny Arema ka nifanakalo hevitra tamin’ireo mpikatroka tao Mahabo sy nanao fanentanana tany Tsiribihina hatrany Morondava. Nofaranana tao Ambatolampy izany, afakomaly. Anisan’ny novoizina tamin’izany ny «Mahavangivangy hono tian-kavana».
Tsiahivina fa nitsidika distrika miisa 90 ny mpitarika ny Arema, tao anatin’ny 2 taona ary tsy maintsy hotsidihina avokoa ny faritra hafa. “Fanamby apetrakay ny fanatanterahana ny hafatra nomen’ny filoha Ratsiraka tamin’ny fifidianana 2002 : «Masina sy miavaka amin’ny firenena rehetra ity Nosy ity , koa andeha ary isika hiaraka hifarimbona amin’ny fampandrosoana azy tsy misy tomika. Mba hahatonga azy ho reharehantsika, ka ho irian’ny hafa fa tsy haniry ny hafa intsony “.
Synèse R.




