Fanomezana kopia : ankizy 4 000 no hisitraka ny tetikasa

Tontosa omaly, teny amin’ ny Organisation internationale de la francophonie (OIF) Anta­ninarenina, ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny OIF, momba ny fanomezana sora-piankohonana, ho an’ny ankizy. Any amin’ny faritra Itasy no hanombohana ny tetikasa, ary antenaina ny hiitaran’izany amin’ny faritra hafa.
Ankizy 4 000 isa no hisitraka kopia, mandritra ny hetsika ataon’ny minisiteran’ny Fitsa­rana, ao anatin’ny tetikasa to­hanan’ny OIF. Kaominina 10, ao anatin’ny distrikan’i Soa­vi­nandriana sy Miarinarivo ary Arivonimamo, ao anatin’ny faritra Itasy, no hanatanterahana ity tetikasa ity voalohany. Mankasitraka izao finiavan’ny minisitera izao ny solontena maharitry ny OIF, mi­sahana ny ranomasimbe In­dianina, Leonard Emile Ognim­­ba, ary nanambara ny fanohanana hatrany amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.
Nandritra izany ihany koa no nilazan’ny minisitry ny Fitsarana ny momba ny raharaham-pitsarana nahavoakasika ny tale mpisolo toeran’ny Cnaps. “Mitsara amin’ny ala­lan’ny antontan-taratasin’ady misy eo am-pelatanany ny fitsarana fa tsy voatery ho hisy tsindry hatrany vao mahazo fahafahana vonjimaika ny olona iray”, hoy Randria­ma­nantenasoa Landy Mbo­latiana, minisitry ny Fitsarana.

Lin M.

Partager sur: