Filankevitry ny Tanàna : nankatoavina ny tetikasa «Fly over»

Anisan’ny nankatoavin’ny fivoriana tsy ara-potoana eo anivon’ny filankevitra monisipaly Antananarivo ny tetikasan’ny fanjakana “Fly over”, etsy Anosizato. Nambaran’ny filohan’ny filankevitra monisipaly fa tsy maintsy nangatahana fankatoavana amin’ny mpanolotsainan’ny Tanàna izany satria misy ampahan-tanin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra voakasiky ny tetikasa. Nankatoavina koa ny fametrahana tsangambato ao amin’ny Cité Analamahitsy noho ny faha-60 taonan’izany toerana izany.
Eo koa ny tetikasa fiaraha-miasa amin’ny Fikambanana Manohisoa momba ny fanomezana “banc” vita amin’ny vato miisa dimy. Nekena koa ny hanomezana anaran-toerana ho Valopololahy eo Ambatobe. Ny fametrahana tsangambato eny Ankasina, nataon’ny vondrona polisy monisipaly noho ny fitsingerenan-taonan’izy ireo. Manampy izany ny fankatoavana ny tetikasa fanamorana fampidirana jiro eto anivon’ny fari-piadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra. Ankoatra izay, nisy ny fepetra noraisina ny tokony tsy azo hanaovana antoka sy tsy azo ivarotana ny tanin’ny Kaominina, ny fangatahana “administrateur” roa avy amin’ny CUA.

Synèse R.

Partager sur: