Nahitsy sy nohatsaraina avy hatrany izay azo natao avy amin’ny toromarika tamin’ny fitsirihana, araka ny filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina, tamin’ny fitsirihan’ny OIF ny tontolon’ny fikarakarana fifidianana teny amin’ny Ceni, Alarobia, afakomaly. Ny sehatry ny lalàna sy ny haitao ara-kajy mirindra ary ny fifandraisan’ny isan’ny mponina amin’ny isan’ny mpifidy no notsirihina. “Avy amin’izay no hahazoana milaza na tsy mamokatra sy tsy mahay ny Ceni, na mety ihany ny asa natao dia hananan’ny olona fitokisana. Fanambin’ny Ceni ny mba ho mendrika ny fiarahamonina sy ho mendrika an’i Madagasikara”, hoy izy.
Fampahatsiahivana ny dingana voalohany no nataon’ny OIF. Nojerena àry izay vita sy tsy vita raha misy tamin’izany. Vita avokoa izany, raha ny fijerin’ny Ceni. Misy ny mila fotoana. Ao ny tsy an’ny Ceni fa ho an’ny governemanta sy ny parlemanta. Nanatrika izany ny avy amin’ny antoko politika sy ny firaisamonina sivily. Raha tsy misy ny fiovana, hivoaka anio ny rejisitra nasionalin’ny lisi-pifidianana.
R. Nd.




