“Mahazo mirotsa-kofidina avokoa izay te hirotsaka. Na izany aza, mila atao mazava tsara ny lalàmpanorenana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny vondrona Hery politika mitambatra (HPM), Razaka Robert, manoloana ny fiatrehana fifidianana. Tsy mety raha samy manana ny fandikany ny lalàmpanorenana ny mpahay lalàna. Mila soratana mazava amin’ny maha Malagasy sy araka ny kolontsaina malagasy izany.
“Tsy mpanohitra izahay. Mpanolo-kevitra hatrany ny HPM: mila atao ny fikaonandoham-pirenena”, hoy izy. Fantatra fa efa nahatanteraka fikaonandoham-paritra ireo raiamandreny am-panahy. Manaraka izay, ny fikaonandoha nasionaly. Matoa misy fikorontanana hatrany eto Madagasikara, misy zavatra tsy mety.
“Aoka ny lasa homba ny lasa, fa tena hatao ny fifampiresahana hisian’ny fampihavanam-pirenena marina”, hoy ihany izy. Mankato ny fikaonandoham-pirenena ry zareo, hanolo-kevitra amin’izany. Havoaka ny fehinkevitra rehefa mifanaraka tsara ny mpandray anjara. Mila manaiky ny fitondram-panjakana, izay atao hoe hery mpanatanteraka.
R. Nd.




