Fizakana zom-pirenena : mandrahona hidina an-dalambe ny RMDM

Nandrangaranga fidinana an-dalambe ny eo anivon’ny RMDM, manoloana ny fizakan’ny filohan’ny Repoblika zom-pirenena vahiny. Efa maka bahana amin’izany izy ireo.

“Hanao fotoana iray tsy ho ela isika. Tsy maintsy hisy fivoriambe hifandresen-dahatra, satria samy Malagasy. Dingana voalohany izay”, hoy ny mpitondra tenin’ny RMDM, ny pasitera Edouard Tsara­hame, teny Bel’Air Ampan­drana, afakomaly, manoloana ny fanazavan’ny filohan’ny Repoblika ny fizakany zom-pirenena frantsay.

Dingana faharoa, miantso an’ireo manamboninahitra tsy mitehaka sy tsy mpanao ramatahora fa natokana hiaro tanindrazana. Voaaro ve ny firenena? Fahatelo, tsy maintsy hirotsaka eny amin’ny araben’ny Fahaleovantena… Ta­ki­na izay Fahaleovantena izay. “Hampihatra lalàna no hiantsoana anareo mpitandro filaminana, fa tsy hitehaka lalàna”, hoy izy.
Ny lalàna dia lalàna. Tokony hanaja an’izany ny rehetra. Natao ankatoavina ny lalàna, ary tsy misy olona ambonin’ny lalàna na iza na iza. “Miomana isika izao…”, hoy ihany izy. Mba hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara no tanjona, tsy misy vazaha. Tanterahin’ny RMDM izay teneniny.

Mazava ny voalazan’ny lalàna
“Maninona no tsy ny zanany irery no nangatahiny izany zom-pirenena frantsay izany? Fa nijoboka nanao an’izany koa izy, nefa mbola te hirotsa-kofidina ho filohan’ny Repob­lika eto Madagasikara”, hoy kosa ny sekretera jeneralin’ny RMDM, Rakotoamboa Jean-Louis. Tsy mahazo mirotsa-kofidina raha tsy manana zom-pirenena malagasy, ara­ka ny lalàmpanorenana. Milaza koa ny fehezan-dalàna momba ny zom-pirenena fa raha nahimpo ny fananana zom-pirenena hafa, very ho azy ny zom-pirenena malagasy. Raha te hirotsa-kofidina izy, maninona no nangataka zom-pirenena frantsay?

R. Nd.

Partager sur: