AFT Andavamamba: tafaverina ny hetsika lehibe ho an’ny kilalaon-tsaina

Hotontosaina ny 7 hatramin’ny 19 aogositra 2023, eny amin’ny Alliance française (AFT) Andavamamba, ny he­tsika «Salon des jeux de société» iarahany amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Kilalaon-tsaina malagasy sy vahiny maro samihafa no ho hita mandritra izany hetsika izany. Anisan’izany ny “échecs”, “dame”, “belote”, “loup garou”, fanorona, ka­tro… Raha ny fandaharam-potoana, ny herinandro voalohany no hanaovana ny fianarana sy fizarana mahakasika ireo kilalaon-tsaina isaky ny karazany avy. Ny herinandro faharoa kosa no hanaovana ny lalao sy fifaninanana rehetra eo amin’ireo lalaon-tsaina ireo.
Hisy ihany koa ny fianarana sy fifaninanana amin’ireo kilalaon-tsaina ireo. Misokatra ho an’ny rehetra ny fandraisana anjara, ary maimaimpoana tanteraka. Tanjona ny hampiroborobo ny kilalaon-tsaina eto Madagasikara, ahafahana mitondra fanabeazana amin’ny alalany.
“Efa mahazo laka eny rehetra eny ny kilalaon-tsaina malagasy. Tanjona ny hampandroso azy sy hitondra azy amin’ny sehatry ny matihanina kokoa ary hametraka azy amin’ny toerana tena tokony hisy azy” hoy ny tomponandraikitry ny hetsika.

Lin

Partager sur: