Fihaonanana tamin’ny filoha: nidera ny vina PEM ny antoko kaominista sinoa

Noraisin’ny filohan’ny Repoblika, teny Ambohotsirohotra, omaly, ny delegasion’ny Antoko kaominista sinoa (PCC). Voaresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.

Notsiahivina tamin’izao fihaonana izao ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’i Sina sy i Madagasikara. Niarahaba manokana sy nidera ary resy lahatra amin’ny fomba fiasan’ny filoha Rajoe­lina ireto delegasionina ireto. Nitarika azy ireo tamin’izany ny minisitry ny Departeman­tan’ny fifandraisana iraisam-pirenena eo anivon’ny komity foiben’ny antoko PCC, Liu Jianchao. “Betsaka ireo ezaka vitan’ny fitondram-panjakana tarihinao amin’ny fametrahana fotodrafitrasa maro, mifandraika amin’ny filan’ny vahoaka sy ny vina voarakitra ao anatin’ny Planina enti-mampandroso an’i Madagasikara (PEM)”, hoy izy ireo.

Fambolena sy ny fotodrafitrasa ary koa ny angovo

Etsy andaniny, nanaovana jery todika koa ny fiara­ha-miasa eo amin’ny firenena
roa tonta. Naneho ny fahavononany hanohana hatrany ny fampandrosoana an’i Mada­gasi­kara ny firenena sinoa, eo amin’ny sehatra maro.
Ani­san’izany ny fampiroboroboana ny fambolena, ny fotodrafitrasa momba ny lalana, ny famokarana angovo. Ny lafiny fiarovana, ny fitaterana an-dalamby sy ny fifana­kalozana eo amin’ny sehatry ny kolon­tsaina, ankoatra ny lafiny fa­hasalamana niara­hana niasa any Vatomandry sy i Bejofo Mahitsy ary Ambovombe. Efa maherin’ny 50 taona rahateo ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta.
Tsiahivina fa manana fiaraha-miasa amin’ny antoko­ben’ny fitondrana TGV/Mapar koa ny eo anivon’ny antoko kaominisita sinoa.

Synèse R.

Partager sur: