Tsy tapitra teo amin’iny fiadiana ny amboara eran-tany iny ny lalan’ireo mpilalao U19, eo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Hisy amin’ireo mpilalao tany Hongrie ireo no ho voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy 2023, araka ny nambaran’ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety, Razafiarivony Solofohery Angelot. Mbola […]
Mois : juillet 2023
SOMBIM-BAOVAO
Miala sasatra eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao, ry Randrianasolo mirahalahy, fanta-daza amin’ny taranja MMA (Mixed Martial Art). Araka izany, hisy ny fiofanana karakarain’ny Judo BJJ Esca, rahampitso, eny amin’ny Dojo Esca. Handray anjara amin’ny fampiofanana ihany koa ireo mpiangaly MMA eto Madagasikara. Hotanterahina iray volana mialohan’ny lalaon’ny Nosy ny fampivondronana […]
Lalaon’ny tany miteny frantsay : mety tsy handray anjara ny Barea
Baraingo indray ny ho fandraisan’anjaran’ny Barean’i Madagasikara, eo amin’ny lalaon’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay (Jeux de la francophonie 2023). Fihaonana tanterahina any Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokratikan’i Congo, ny 28 jolay ka hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao. Araka ny fanadihadiana natao, tapitra ny talata 4 […]
Mathias M’Madi : anisan’ny voafantina amin’ny GloblJam 2023
Nitondra vokatra tsara ho an’i M’Madi sahady ny fisongadinany, nandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety U19, natao tany Hongrie. Tafiditra ao anatin’ny mpilalao afrikanina mendrika indrindra izy. Ao anatin’ny mpilalao mendrika indrindra eto Afrika i Mathias M’Madi, mpilalao nisongadina tamin’ny «World Cup U19», natao tany Debrecen Hongrie. Hihazo […]
Lisi-pifidianana : mifarana anio ny fanamarinana
Mifarana anio ny fahafahan’ny olompirenena manamarina sy manitsy ny momba azy ao anatin’ny lisi-pifidianana, araka ny fe-potoana nomen’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI). Raha tsiahivina, nahazo 20 andro indroa miantoana, ny olompirenena tsirairay nanamarinana na nanitsina ny momba azy tao anatin’ny lisi-pifidianana, teny amin’ny fokontany misy azy avy. […]




