Mois : juillet 2023

Nosy-Be : mpizahatany 2 000 tonga isan-kerinandro

Manomboka miverina tsikelikely ny sehatry ny fizahantany ao Nosy-Be, roa taona taorian’ny krizin’ny Covid-19. Ankehitriny, mahatratra 2 000 isan-kerinandro ireo mpizahatany tonga mitsidika sy miala sasatra ao amin’ity nosy ma­nitra ity, araka ny tatitry ny ofisim-paritry ny fizahantany ao Nosy-Be (ORTNB). Feno, manaraka izay, koa ny trano fandraisam-bahiny any an-toerana. […]

VAOVAO TAMBATRA

Efa niverina amin’ny laoniny omaly ihany ny fama­tsiana herinaratra amin’ny faritra Atsimon­drano. Efa voasolo ilay « poutre » tamin’ny andrinjiro nitondra ny herinaratra mahery vaika teny Ambohi­janaka, Mahabo ary Mahalavolona. Tsiahivina fa naharitra ora maro ny fahatapahan’ny herinatra teny an-toerana, omaly. Mbola mitohy ilay atrikasa iarahana amin’ireo Sinoa manam-pahaizana momba […]

« Tetikasa Miary digital » : tapitra anio ny fisoratana anarana

Mifarana androany ny fisoratana anarana amin’ilay teti­kasa « Miary Digital » natao ho an’ireo tanora mandraharaha eo amin’ny sehatry ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. Hanomboka ny sivana ho an’ireo mahafeno ny fepetra takina, ka hahazo famatsiam-bola 5 000 ka hatramin’ny 15 000 dolara, ireo start-ups mendrika indrindra. Tanjon’ny […]

Anjozorobe : nametrahana ozinina mpanodina soja sy voanjo

Hampiakatra avo ny toekarena sy ny fiharian’ny tantsaha ao amin’ny distrikan’ Anjozorobe ny fahazoana ozinina mpanodina soja sy voanjo. Hihena ny fanafarana menaka avy any ivelany. Mitohy hatrany ny politikam-panjakana amin’ ny fampiroboroboana ny tetikasa “One disctict one factory, (odof)” na ny fametrahana ny taninketsa indostrialy. Nametrahana ozinina maha­toto akora […]

INDRAY MIJERY

105 ny toerana fanangonana tavoahangy plastika napetraky ny orinasa Star amin’ny toerana maromaro manerana ny Nosy. Nanomboka ny taona 2019 no ho mankaty, 35t ny tavoahangy plastika voaangona ka navadika ho akanjo sy zavatra hafa mbola azo ampiasaina indray aty aoriana. Misy ny mpiara-miasa any amin’ny toerana misy ny vata […]