Amin’ny ankapobeny, nilamina ny roa andro niandohan’ny fanadinam-panjakana BEPC tao anatin’ny faritra Atsinanana na teo aza ny toetry ny andro mamirifiry arahina orana, nandritra ny roa andro. Ny andro voalohany, teo anatrehan’ny solontenam-panjakana no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fonosana misy ny laza adina, natao tetsy amin’ny kolejy tsy miankina […]
Mois : juillet 2023
Taona 2023-2024 : nivoaka ny tetiandrom-pampianarana
Mizara ho roa volana 5 ihany ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Hanomboka ny 4 septambra izao izany ka tsy hifarana raha tsy ny 28 jona 2024. Nampahafantarin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, omaly, ny tetiandrom-pampianarana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Mbola voatazona ny tombana isaky ny roa volana, izay hitsinjara 5. Hanomboka amin’ny 4 […]
Fiaraha-miasa amin’i Frantsa: nahemotra ny fahatongavan’ny minisitra Colonna
Tsy mbola ho ato ho ato indray. Nahemotra ho amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny fotoana hitsidihan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Frantsay, i Catherine Colonna eto amintsika. Tokony higadona eto Magagasikara rahampitso izy saingy tsy raikitra indray izany. Tsy voalaza mazava ny anton’ny fanemorana izany raha efa nikasa ny ho avy […]
Toamasina: mpiasan’ny kaominina voaheloka higadra
Nohelohin’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava hamita sazy 5 taona, asan-terivozona am-ponja, i Zara Germain. Namoahana didy fampisamborana koa izy noho ny tsy nanatrehany ny fotoam-pitsarana, ny herinandro teo, tao Toamasina. Tokony ho efa niditra am-ponja ny volana febroary 2022 ity mpiasan’ny kaominina ity noho ny hosoka nefa mbola […]
Fehin-kevitry ny vovonana PNDE: homena fahefana sy fizakan-tena ary vola ny eny ifotony
Nifarana omaly, teny Ivato ny Vovonam-pirenena ho an’ny drafitra nasionaly momba ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE). Hohafainganina ny fampiharana izany hampandrosoana ny eny ifotony. Nankatoavin’ireo mpizaika niatrika ny vovonam-pirenena ho an’ny drafitra nasionaly momba ny fitsinjaram-pahefana, miabo (PNDE) ny fehin-kevitra ho fampandrosoana ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana. Nambaran’ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin, […]




