Miandry fa Gasy !

Tapitra izay ny telo herinandro nomena ny minisitry ny Angovo, mahakasika ny delestazy. Andrasana ny fivoaran’ny fahatapahan-jiro sy ny fahasahiana handray fepetra hanasazy izay tomponandraikitra tsy nahavita ny asany. Iaraha-mahalala rahateo fa raha misy ny fitavozavozana amin’izany, ny filohan’ny Repoblika ihany no hizaka ny vokany voalohany. Tsy te hahalala afa-tsy ny anarany ny sarambabem-bahoaka. Izy rahateo izay nahasahy nilokaloka teo imason’ny ampanjaka, ny tangalamena, ny raiamandreny ara-drazana isan-tsokajiny. Nilaza fa tsy milaza afa-tsy ny marina.
Andrasana manomboka anio ny tsy ho fahatapahan-jiro, araka izany. Asa raha ho afaka hisento tokana ny mpandraharaha madinika, izay anisan’ny voa mafy mihitsy amin’ny tsy fisian’ny angovo hoenti-miasa. Tsy mahavaha olana rahateo ny fametrahana jiro “cobra” na irony mandeha amin’ny herin’ny masoandro irony. Vahaolana vonjy tavanandro, mamaha amin’ny ampahany ny resaka fahazavana, fa tsy mitondra vokatsoa amin’ny angovo azo ampiasaina. Mazava ho azy, tsy ampy hatao maridrefin’ ny fahombiazan’ilay minisitera velively ireny “werawera” fametahana andry sy jiro mandeha amin’ny masoandro ireny.
Ho tapitra ihany ny fotoam-piasan’ny filoham-pire­nena. Efa dila lavitra ny fe-potoana momba ny Velirano ho an’ny angovo. Azo lazaina fa fe-potoana famindram-po ho an’ny mpitondra ilay telo herinandro. Nahafahana nanarina izay azo narenina, na mba hamonoana lolo amin’ ny fampielezan-kevitra izay tsy maintsy handeha ato ho ato. Sitrany ahay, mahavita mampandry adrisa an-dRama­lagasy izay marefo sady zatra manao ririnin-dasa tsy tsaroana.
Andrasana ny tohiny na mahakasika ny jiro tapaka, na momba izay ambadik’ireny fampitandremana nataon’ny filohan’ny Repoblika ireny. Miandry fa Gasy!

r.r

Partager sur: