Nitsidika ny foiben’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) ny delegasionan’ny SADC nandritra ny fandalovany eto Madagasikara tamin’ity herinandro ity. Iray amin’ireo firenena andalovan’ny rivodoza matanjaka i Madagasikara tao anatin’ny roa taona farany. Na mafy aza ny fidiran’ny rivodoza teto amintsika, tsy mafy loatra ny fiantraikany noho ny fahaizan’ny ekipa rehetra nifarimbona nitantana ny loza. Io traikefa io no trandrahan’ny delegasiona mandritra ny fivahinianany eto amitsika.
Nisy ny fihaonana manokana tamin’ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny kolonely Andriankaja Elack Olivier narahin’ny fifampizarana traikefa ka nampahafantarana azy ireo ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza eto Madagasikara. Tafiditra amin’ny paikady nampiharina ny fanomezana fitaovana maro ahafahana miatrika izany eny ifotony. Nisy koa ny fanapariahana ny ekipan’ny BNGRC any amin’ny faritra (Mahajanga sy Toamasina) izay manamora ny fahafahana mandray andraikitra sy manapa-kevitra amin’ ireo asa rehetra tokony hatao rehefa tonga ny loza.
Vonjy