Nitokona ny mpianatry ny oniversite Ankatso omaly, taorian’ny fitokonan’ny Seces. Nanakan-dalana, sy nandoro kodiarana ary nitora-bato izy ireo. Nalana ny «franchise universitaire».
Mpianatra valo voasambotra, zandary iray hita naratra, nandritra ny fitokonana nataon’ireo mpianatra teny Ankatso, omaly tamin’ny sivy maraina teo ho eo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana.Tsy nitsahatra nitora-bato ireo mpianatra. Namaly tifitra baomba mandatsa-dranomaso kosa ny mpitandro filaminana. Niato kely minitra vitsy ny hetsika. Nitohy ny fifampihantsiana, niafara tamin’ny fidiran’ireo mpitandro filaminana teny anivon’ny oniversite izany. Noesorin’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, rahateo ny “franchise universitaire”.
“Tany ivelany ny korontana fa tsy ato anatiny. Noraisina ny fepetra nahafahana niditra tao amin’ny faritry ny oniversite”, hoy ny kolonely Raolijaona Tojo. Tanjona ny hisian’ny filaminana ho an’ny rehetra eny an-toerana sy ny manodidina ka antony nandraisana ny fepetra. Ny filohan’ny oniversite irery ihany no manan-jo feno handefa taratasy ho an’ny lehiben’ny mpitandro filaminana, hanaisotra ny “franchise”, raha ny fantatra. Tsy tratra teny an-toerana moa ny filohan’ny oniversite raha nikasa hiresaka taminy ny mpanao gazety.
Takin’ireo mpianatra ny hamerenana ny fampianarana eny anivon’ny oniversite. Mitaky ny handoavana ny vatsim-pianarana sy hampiakarana azy ho 100 % izy ireo. “Marary ny tsy fandehanan’ny fampianarana eny an-toerana noho ny fitokonan’ny Seces”, hoy Henri, solontenan’ny mpianatra. Hitohy ny fitokonanana raha tsy mivaly ny fangatahana sy ny famoahana ireo mpianatra voasambotra. Nisy moa ny fifampiresahana teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny solontenan’ny mpianatra taorian’izany. Nilamina tanteraka ny teny an-toerana nanomboka omaly tamin’ny 1 ora tolakandro.
Mino